Fameno zoina tsy mivantana
Apparence
Ny fameno zoina tsy mivantana, araka ny fitsipiteny mahazatra an' ny fiteny sasany, dia anjara asan' ny teny na andian-teny ao amin' ny fehezanteny izay matetika akambana amin' ny matoanteny amin' ny alalan' ny mpampiankin-teny, izay milaza ny olona na ny zavatra atao na iharan' ny asa. Ny mifanohitra aminy dia ny fameno zoina mivantana izay tsy ampidirin' ny mpampiankin-teny.
Ao amin' ny fehezanteny frantsay hoe Jean a donné le livre à Marie ("Nanome ny boky an' i Marie i Jean") dia fameno zoina tsy mivantana ny hoe à Marie.