Fôniô

Avy amin'i Wikipedia
Mpijinja fôniô

Ny fôniô fotsy na fôniô na ampemba fôniô dia zavamaniry isan-taona, mamokatra voamadinika, ao amin' ny fianakaviana Poaceae (ahitra) ambolena mba hahazoana ny voa. Digitaria exilis, no anarany ara-tsiansa. Izy no manan-danja indrindra amin' ny karazana Digitaria maniry hoazy sy famboly fantatra amin' ny anarana hoe fôniô izay jinjaina any amin' ny savannah any Afrika Andrefana. Kely dia kely ny voany. Izy io dia afaka manatsara ny sakafo, manatsara ny fanjarian-tsakafo, mampiroborobo ny fampandrosoana ny ambanivohitra ary manohana ny fampiasana maharitra ny nofon-tany. Na dia eo aza ny toetrany sarobidy sy ny fambolena miely patrana, ny fôniô dia nanaovana fikarohana sy fifantohana voafetra amin' ny ankapobeny, ka izany ihany koa no mahatonga ilay karazana indraindray antsoina hoe voly tsy ampiasaina firy. Avy amin' ny teny vôlôfo hoe foño ny teny hoe fôniô.

Mbola zava-dehibe eny an-toerana ny fôniô satria sady mahavelona no anisan’ ny voamadinika mitombo haingana indrindra eto an-tany, mahatratra ny fahamasahana ao anatin' ny enina na valo herinandro monja. Izy io dia vokatra azo ianteherana any amin' ny faritra manana toetany somary maina misy tany tsy ampy tsiro, izay misy orana tsy maharitra sy tsy azo ianteherana. Ny voany dia ampiasaina amin' ny fanamboarana lafarinina, kosikosy, mofo ary labiera.

Manasarotra sy mandany fotoana ny fanesorana ny hodiny noho ny voany madinika dia madinika. Ny fomba nentim-paharazana dia ny fitotoana azy amin' ny laona miaraka amin' ny fasika (avy eo dia sarahina ny voa sy ny fasika) na ny manapotika azy amin' ny lelafo ary avy eo mamely azy (izay mamoaka voa voatoto; io teknika io dia ampiasain' ny vahoaka Kpôsô). Ny famoronana milina tsotra fanesorana ny hoditry ny fôniô dia manome fomba mekanika mora ampiasaina kokoa.

Faritra ao Afrika Andrefana anirian' ny fôniô

Ny fisian' ny fahasamihafan' ny fototarazo amin' ny Digitaria exilis dia tsy mitovy amin' ny faritra tsirairay any Afrika. Ohatra, tsy dia misy fahasamihafana ara-pototarazo firy hita eo amin' ny Digitaria exilis landraces avy any Maly. Mifanohitra amin' izany kosa, hita amin' ny fototarazo lehibe samihafa teo amin' ny Digitaria exilis famboly ao amin' ny Sahandrano Ambonin' i Niger ao Afrika Andrefana.

Ny fôniô fotsy dia voamadinika kely, ata sakafo any amin' ny faritra sasany any Afrika Andrefana. Manodidina ny 260 000 taonina ny vokatra isan-taona any amin' ireo faritra ireo. Nahita an' io sakafo io indray ny mpandinika ny sakafo tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21 satria mora levon' ny olona tsy fahazakana glotena.