Félix Éboué

Avy amin'i Wikipedia
I Charles de Gaulle sy i ny governera jeneraly Félix Éboué tao Tsady tamin' ny volana Oktobra 1940.

I Félix Éboué dia mpanao pôlitika mizaka ny zom-pirenena frantsay, teraka tamin' ny 26 Desambra 1884 tao Cayenne ary maty tamin' ny 17 Mey 1944 tao Kairo, dia mpandraharaham-panjakana tamin' ny fanjanahan-tany, mpanohitra miafina ny fanjakazakan' i Alemaina Nazi (sy ny mpiara-dia aminy) tamin' ny ora voalohany nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Homanista sy framasô izy sady mpikambana tao amin' ny Section française de l'Internationale ouvrière (SFIO) hatramin' ny Septambra 1939. Raha vantany vao nofehezin' ny tafiky ny Reich Fahatelo i Frantsa, tamin' izany izy dia governoran' i Tsady izay fananan' ny mpanjanatany frantsay tamin' izany fotoana izany, dia nametraka ny faritany teo anilan' ny Frantsa Afaka (frantsay: France Libre)[1] raha vao nandre ny fiangavian’ ny Jeneraly de Gaulle tamin’ ny 18 jona 1940. Nomeny tamin' ny fomba ôfisialy an' i Frantsa Afaka ny maha Fanjakana manana fiandrianana ary lasa Compagnon de la Libération fahatelo araka ny sitrapon' ny Jeneraly de Gaulle. Nanomboka tamin’ ny 20 May 1949, dia nampandrina tao amin’ ny Panthéon[2] i Félix Éboué.

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. I France Libre dia ny fitondrana nenti-nanohitra ny fanjakazakan' i Alemaina Nazi, izay natsangan' ny Jeneraly de Gaulle tao Lôndra taorian' ny antso nataony tamin' ny 18 Jona 1940.
  2. Ny Panthéon dia fasana lehibe andevenana ireo nahavita soa ho an' i Frantsa. Anisan' ny milevina ao i Voltaire, i Jean-Jacques Rousseau, i Victor Hugo, i Louis Braille, i Sadi Carnot, i Émile Zola, i Jean Jaurès, i Jean Moulin, i Jean Monnet, i Pierre sy i Marie Curie, i André Malraux ary i Alexandre Dumas, izay naiditra tao tamin' ny taona 2002. .