Evanjelin' ny Ebiônita

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Evanjelin'ny Ebiônita)

Ny Evanjelin' ny Ebiônita na Filazantsaran' ny Ebiônita dia anarana iantsoana ny evanjely (na filazantsara) jodeô-kristiana nampiasain' ireo atao hoe Ebiônita[1]. Ankehitriny dia very io boky io ka tsy fantatra ny momba azy raha tsy amin' ny alalan' ny tonontsiahy ataon' ireo Rain' ny Fiangonana (na Aban' ny Eglizy). Ny sombintsombiny sisa izay heverina fa avy amin' io evanjely io dia tonontsiahy fohy fito nataon' i Epifaniôsy avy any Salamisy ao amin' ny boky nosoratany atao hoe Panarion[1].

Ansan' ny mampiavaka ity boky ity ny tsy firesahany ny amin' ny fiteraham-birijiny an' i Jesoa sy ny tetiarany; lazainy fa tamin' ny nanaovana batisa (na batemy) an' i Jesoa no nananganan' Andriamanitra azy ho zanany; izany dia andraikitra napetrak' Andriamanitra amin' i Jesoa mba hanafoana ny sorona jiosy; mamporisika ny olona tsy hihinana afa-tsy zavamaniry koa io evanjely io[2].

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. 1,0 et 1,1 Simon Claude Mimouni, Les Chrétiens d'origine juive dans l'Antiquité, Paris, Albin Michel, p. 189.
  2. Philipp Vielhauer and Georg Strecker (2003), p.168