Aller au contenu

Euromaidan

Avy amin'i Wikipedia
Evromaidan

Ny Euromaidan na Evromaidan dia fihetsiketsehana nataon' ny Okrainiana mpomba ny fiarahan' i Okraina amin' i Vondrona Eorôpeana niseho tany Okraina, izay nanomboka tamin' ny 21 Nôvambra 2013 taorian' ny fanapahan-kevitry ny governemanta okrainiana tsy hanao sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin' i Okraina sy ny Vondrona Eorôpeana mba hanomezana vahana ny fifanarahana amin' i Rosia. Amin' ny teny okrainiana izany dia atao hoe Євромайдан / Yevromaidan, fa amin' ny teny rosiana kosa dia Евромайдан /Yevromaidan. Nisehoana herisetra mahery vaika ireo fihetsiketsehana ireo teo anelanelan' ny 30 Nôvambra sy 8 Desambra 2013, ary heverina ho anisan' ny fifandonana taorian' ny vanim-potoana sôvietika. Vao mainka nampitombo ny hetsi-panoherana, izay nahitana mpanao fihetsiketsehana eo anelanelan' ny 250 000 sy 500 000 tao Kyiv, ny herisetra.

Tamin' ny 22 Febroary 2014, ity hetsika ity dia nitarika ho amin' ny Revôlisiônan' ny Febroary sy ny fandosirana ary ny fanonganana ny filoham-pirenena Viktor Yanukovych mpomba ny fiarahana amin' ny Rosiana, izay nosoloina an' i Oleksandr Turchynov, ary koa ny famotsorana an' i Yulia Tymoshenko sy ny fananganana governemanta vaovao tarihin' i Arseniy Yatsenyuk. Ity hetsika ity dia ampahany amin' ny Ady eo amin' i Rosia sy i Okraina, izay sehatra midadasika kokoa, ary niteraka ny Ady tao Donbass.