Didim-pitondrana

Avy amin'i Wikipedia

Ny didim-pitondrana dia fanapahan-kevitra azo ampiharina avy hatrany amin' ny sehatra ankapobeny na isam-batan' olona, avoakan' ny manam-pahefana ankoatry ny filohan' ny Repoblika sy ny praiminisitra. Fototra roa no ahafahan' ny manam-pahefana iray hamoaka didim-pitondrana: na ho fanatanterahana didim-panjakana na lalàna iray, na noho ny fahefana ananan' ny lehiben' ny sampan-draharaha.

Mety hivoaka avy amin' ny fahefana ara-pitantanana samihafa ny didim-pitondrana: minisitra (iray na maromaro miaraka), prefe (ao amin' ny faritra na hafa), filohan' ny filan-kevi-paritra, filohan' ny filankevitry ny departemanta, ben' ny tanàna, filohan' ny fahefana ara-pitantanana mahaleo tena, lehiben' ny fitsarana (ho an' ny fandaminana anatiny ihany), sns. Afaka mamoaka didim-pitondrana ihany ny filohan' ny Repoblika amin' ny maha lehiben-tsampandraharaha azy, amin' izay rehetra mahakasika ny fiadidiana ny Repoblika.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy anatiny

Rohy amin' ny Wikipedia hafa