Didiereaceae

Avy amin'i Wikipedia
Alluaudia montagnacii

Ny Didiereaceae dia fianakavian-javamaniry roa ravin-tsimoka (dicotyledonaea); misy karazana mihotra ny folo voazara anaty vondron-karazana 4 hatramin' ny 7. Hazo na hazo madinika izy ireo, amin' ny ankapobeny manana endri-taova manokana, ka ny asa ahazoana famaitso dia sahanin' ny taho. Anisan' ny Didieracerae ny fantiolotsy (Alluaudia procera). Matetika izy ireo dia feno tsilo sy maharitra, ary matetika antsoina hoe "zavamaniry be ranony". Ity fianakavian-javamaniry ity dia tsy misy afa-tsy any amin' ny faritra efitra eto Madagasikara sy any Afrika Andrefana. Mizara ho karazana 16 mizara sy vondron-karazana 6 ity fianakaviana ity.

Ny vondron-karazana sy ny karazana[hanova | hanova ny fango]

Mizara ho vondron-karazana 6 ity fianakaviana ity, dia ny Alluaudia, ny Alluaudiopsis, ny Calyptrotheca, ny Decarya, ny Didierea, ary ny Portulacaria.

Ny vondro-karazana sy karazana hita eto Madagasikara[hanova | hanova ny fango]

Ny Alluaudia[hanova | hanova ny fango]

Alluaudia montagnacii

Misy karazany enina ny Alluaudia, izay samy tsy hita afa-tsy eto Madagasikara avokoa. Ny ankamaroany dia hita any amin' ny ala any atsimo-andrefan' ny Nosy. Ny karazana Alluaudia dia misy voniny vavy sy lahy misara-toerana ao amin' ny zavamaniry roa samy hafa. Mirindra manodidina ny ravina ho fiarovana amin' ny biby mpihinana ahitra ny tsilo. Mipetaka metatra maromaro ambonin' ny tany ny tsilo, ary azo inoana fa nivoatra ho setrin' ny fihinanana ahitry ny amboanala na maky izay efa lany tamingana ankehitriny, toa ny Hadropithecus. Ny karazana maky maro velona amin' izao fotoana izao no mihinana be dia be amin' ny Alluaudia, toy ny hira (Lemur catta) sy ny  gidro fotsy tongotra (Lepilemur leucopus).

Indreto ny karazana misy ao aminy:

Ny Alluaudiopsis[hanova | hanova ny fango]

Ny Alluaudiopsis dia misy voninkazo lahy sy vavy amin' ny zavamaniry samy hafa. Ny faritra faniriany dia ny faritra atsimo amin' i Madagasikara. Indreto ny karazana misy ao aminy:

  • Alluaudiopsis fiherenensis
  • Alluaudiopsis marnieriana

Ny Decarya[hanova | hanova ny fango]

Eto Madagasikara no misy azy. Tokana ny karazana hita ao, dia ny Decarya madagascariensis.

Ny Didierea[hanova | hanova ny fango]

Didierea madagascariensis

Ny karazana Didierea dia misy voninkazo lahy sy vavy amin' ny zavamaniry samy hafa. Ny karazany roa fantatra dia tsy misy afa-tsy eto Madagasikara, izay ahitana azy any amin' ny ala misy tsilo. Indreto ireo karazana misy ao aminy ireo:

  • Didierea madagascariensis
  • Didierea trollii

Ny vondro-karazana sy karazana hita ao amin' ny faritra atsimo ao Afrika[hanova | hanova ny fango]

Ny Calyptrotheca[hanova | hanova ny fango]

Ny tany anirian' ny Calyptrotheca dia ao amin' ny faritra avaratra-atsinanana sy atsinanana amin' ny tapany atsimo amin' i Afrika. Indreto ny karazana misy ao aminy:

  • Calyptrotheca somalensis
  • Calyptrotheca taitensis

Ny Portulacaria[hanova | hanova ny fango]

Portulacaria afra (any amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika)

Ao amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika no misy azy. Indreto ny karazana misy ao aminy:

  • Portulacaria afra
  • Portulacaria armiana
  • Portulacaria carrissoana
  • Portulacaria fruticulosa
  • Portulacaria longipedunculata
  • Portulacaria namaquensis
  • Portulacaria pygmaea