Dariôsy Mediana

Avy amin'i Wikipedia
Tsipiriany amin' ny fiangonan' i Lambrechtshagen, Alemaina, 1759: i Daniela ao an-davaky ny liona niaraka tamin' i Dariôsy Mediana eo ambony.

I Dariôsy Mediana na Dariôsa Meda dia olona iray resahina ao amin' ny Bokin' i Daniela, izay lazaina fa mpanjakan' i Babilôna, nandova ny fanjakan' i Babilôna, nitondra teo anelanelan' i Belsazara sy Kirôsy Lehibe (Kirôsy II), taorian' ny nakan' ny tafik' i Kirôsy II ny renivohiny tamin' ny taona 539 tal. J.K., nefa tsy fantatry ny Tantara izy, ary tsy misy mpanjaka fanampiny azo apetraka eo anelanelan' i Beltazara sy i Kirôsy izay fantatra.

Ny ankamaroan' ny manam-pahaizana amin' izao fotoana izao dia mihevitra ny fitantarana an' i Dariôsy Mediana ho tantara noforonina, izay mety ho vokatry ny lazan' i Dariôsy I, mpanjakan' i Persia, izay nanjaka tatỳ aoriana.

Ny manam-pahaizana sasany dia nanandrana nampifanaraka ny Bokin' i Daniela tamin' ny tantara tamin' ny fampitoviana azy amin' ireo olo-malaza isan-karazany, indrindra fa i Kirôsy, i Kiaksaresy II (zanak' i Astiagesy, noresahin' i Ksenôfôna ao amin' ny Kirôpedia izay nosoratany saingy tsy hita avy amin' ny loharano hafa, ary heverin' ny ankamaroan' ny mpahay tantara ankehitriny ho noforonina), na i Gôbriasy, ilay jeneraly niditra voalohany tany Babilôna fony ity tanàna ity nianjera ka lasan' ny Persiana tamin’ ny taona 539 tal. J.K.