Charles I

Avy amin'i Wikipedia
Charles I
Ankapobeny
Anarana Charles I
Teraka 19 Novambra 1600
Maty 30 Janoary 1649
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Fanjakana Mitambatra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

Charles I dia mpanjakan' i Angletera sy Ekôsy ary Irlandy nanomboka tamin' ny taona 1625 hatramin' ny namonoana azy tamin' ny taona 1649. Teraka tamin' ny 19 Nôvambra 1600 tao Dunfermline ary maty ny 30 Janoary 1649 tao Lôndôna izy.

Hatramin' ny nanombohany nanjaka dia nifanandrina tamin' ny Antenimieran' i Angletera i Charles I mba hampitomboany ny fidiram-bolany, nefa ny Antenimiera kosa dia nanao izay hamerana ny zo aman-tombontsoan' ny mpanjaka izay noheverin' ny mpanjaka ho zo avy amin' Andriamanitra. Ny fitsabahany tamin' ny raharaha ara-pivavahan' ny Fiangonan' i Angletera sy ny Fiangonanr' i Ekôsy, sy ny fisonondrotany ny hetra tsy nisy ny fankatoavan' ny Antenimiera dia tsy neken' ny mpitory teny prôtestanta sasany izay nihevitra azy ho mpanjaka tsy refesi-mandidy sy mpanao jadona.

Ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

I James VI and I no rainy. Ny vadiny dia Henrietta Maria of France. Ny zanany dia Charles II of England, Mary, Princess Royal and Princess of Orange, James VII and II, Elizabeth Stuart, Princess Anne of England, Henry Stuart, Duke of Gloucester, Princess Henrietta of England.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.