Chaim Weizmann

Avy amin'i Wikipedia
Haim Weizman

I Chaim Weizmann na Haim Weizmann dia mpahay simia sy mpitondra fanjakana rosiana avy eo britanika ary farany israeliana, teraka tamin' ny 27 Nôvambra 1874 tao Motal ary maty tamin' ny 9 Nôvambra 1952 tao Rehovot (Israely). Atao hoe חיים ויצמן izy amin' ny teny hebreo.

Izy no namorona fitaovam-piadiana mipoaka Acetone, izay natolony ho an' ny tafiky ny Firenena mpiara-dia nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, izy no nitarika ny Fikambanana Ziônista Maneran-Tany (hebreo: הַהִסְתַּדְּרוּת הַצִּיּוֹנִית הָעוֹלָמִית / HaHistadrut HaTzionit Ha'Olamit), nandray ny andraikitry ny filoha indroa, hatramin' ny 1920 ka hatramin' ny 1931, avy eo hatramin' ny 1935 ka hatramin'ny 1946.

Izy no mpanorina ny Institota Siantifika Weizmann (anglisy: Weizmann Scientific Institute; hebreo: מכון ויצמן למדע / Machon Vaitzman LeMada) tamin' ny taona 1934 ary izy no filoha voalohany tao amin' ny Fanjakan' i Israely teo anelanelan' ny taona 1949 sy 1952.