Bokin' ny Zohin-Karena

Avy amin'i Wikipedia

Ny Bokin' ny Zohin-Karena dia boky apôkrifan' ny Baiboly voasoratra amin' ny fiteny siriaka tamin' ny voalohany tany amin' ny taonjato faha-5 na faha-6. Mikendry ny hametraka ny tetiaran' ireo patriarky ny Baiboly sy ny an' ireo mpanjakan' i Israely sy ny an' i Jodà ilay boky sady te haneho ny maha taranak' i Adama an' i Jesoa; maneho ankapobeny ny tantara masina jodeô-kristiana hatramin' ny Famoronana ka hatramin' ny andron' ny Pentekôsta kristiana voalohany izy ka mampiditra tantara fanampiny hafa tsy hita ao amin' ny Baiboly.

Atao hoe Me`ârath Gazzê izy amin' ny fiteny siriaka, Maghârat al-Kanûz amin' ny fiteny arabo, fa Ba`âta Mazâgebet amin' ny fiteny etiôpika (gezy).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]