Biby mandady na mikisaka
Ny Reptilia dia kilasin' ny biby manana hazondamosina (Vertebrata), misy manana rantsam-batana efatra (Tetrapoda), miovaova hafanana ary rakotra kirany. Ity karazana fanasokajiana klasika ity dia ahitana biby toy ny Dinosauria tsy vorona, ny Pterosauria, ny Ichthyosauria, ny Plesiosauroidea ary Pliosauroidea, saingy hita fa tsy mitombina amin' izao fandrosoan' ny kladistika izao. Noho izany dia mampiady hevitra ny fampiasana ity anarana ity: hatramin' ny nisian' ny fanasokajiana filôjenetika dia mihamaro ny mpikaroka mihevitra fa tsy tokony hampiasaina amin' ny fanasokajiana ara-tsiansa ny karazam-biby intsony hoe "Reptilia". Izy io dia manondro vondrona parafiletikan' ny karazam-biby izay misy fitoviany noho ny toetrany miovaova hafanana sy ny fisian'ny irany, nefa ny razambe iraisany dia niteraka taranaka izay tsy manana ireo toetra ireo: ny vorona sy biby mampinono.
Amin' ny teny malagasy izy ireo dia fantatra amin' ny anarana hoe "biby mandady na mikisaka", na "biby mandady" fotsiny. Biby "mandady" ireo izay manana tongotra fa "mikisaka" kosa ireo izay tsy manana izany (bibilava sns). Izy ireo dia biby mikisaka amin' ny kibony rehefa mifindra toerana[1].
Ao amin' ny famaritana mahazatra, ny Reptilia dia voafetra ho filaharana efatra amin' izao fotoana izao, dia:
- ny Crocodilia: karazana voay 30;
- ny Rhynchocephalia: karazana tokana ankehitriny;
- ny Squamata: anisan' izany ny karazana androngo 10 020 eo ho eo, ny Serpentes (bibilava) sy ny Amphisbaenia (sahala amin' ny androngo tsy misy rantsam-batana ka toy ny bibilava);
- ary ny Testudines (karazan-tsokatra manodidina ny 340).
Na izany aza, ireo filaharana ireo dia mifanalavitra kokoa noho ny an' ny filaharana hafa heverina ho tsy anisan' ny "reptiliana". Ohatra, ny voay dia akaiky kokoa ny vorona (indrindra fa ny fisian' ny hodi-maso fanampiny mangarahara sy ny haranana ) noho ny androngo na sokatra.
Fanampin' izany, ny vondrona fôsily sasany izay noheverina ho anisan' ny "Reptilia" taloha dia manana toetra izay tsy ananan' ny biby mandady sy mikisaka ankehitriny: hita fa mitera-batana ny Ichthyosauria; ny hafa toa ny Pterosauria dia voloina ary ny dinôzôro dia misy manana maripana tsy miova ka anisan' izany ny Theropoda izay niandohan' ny vorona. Izany no antony, nanomboka tamin' ny taompolo 1980 sy tamin' ny fandrosoan' ny sistematika izay miezaka mamantatra ny fifandraisam-pihavanana eo amin' ny zavamananaina, dia nilaozana ny famondronana ho Reptilia (biby mandady sy mikisaka) ho toy ny ambaratongam-panasokajiana, teo amin' ny tontolo akademika (oniversitera) aloha, avy eo tao amin' ny fampianarana ambaratonga voalohany sy faharoa frantsay. Mbola ampiasaina betsaka amin' ny fiteny andavanandro anefa izy io, toraka izany koa ao amin' ny sistematika evôlisiônista ary ho kilasy mora ampiasaina (izay sekoly taksinômikan' ny vitsy anisa ankehitriny, saingy mbola miasa).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Biby mandady", in motmalgache.org