B. R. Ambedkar

Avy amin'i Wikipedia
Dr. Bhimrao Ambedkar
Ankapobeny
Anarana Dr. Bhimrao Ambedkar
Teraka 14 aprily 1891
Maty 6 Desambra 1956
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena India
Asa :
Fiainana manokana

Bhimrao Ramji Ambedkar (14 aprily 1891 - 6 Desambra 1956), fantatra ihany koa amin'ny hoe Dr. Babasaheb Ambedkar dia mpahay lalàna indianina, mpahay toekarena sy mpanao politika ary mpanao fanavaozana ara-tsosialy, izay nanentana ny hetsiky ny dalit bodista ary nanao fampielezan-kevitra hanohitra ny fanavakavahana ara-tsosialy an'ireo tsy azo tohina (dalit). Nanohana ny zon'ny vehivavy sy ny asa koa izy. Izy dia minisitry ny lalàna sy ny fitsarana voalohany tany India, ny mpanao mari-pahaizana momba ny lalàm-panorenan'i India, ary ny ray mpanorina ny Repoblikan'India.[1][2][3][4][5][6]

Tamin'ny 1956, nanomboka ny fivadihan-toerana be an'i dalit izy, sady niova ho bodista niaraka tamin'ny mpanohana azy miisa 600 000 ary namelona indray ny finoana bodista tany India. I Ambedkar dia noraisina ho bodhisattva, ary ny Maitreya, eo amin'ireo bodista Navayana.[7][8][9][10]

Tamin'ny taona 1990, dia nomena ny Bharat Ratna, izay loka sivily ambony indrindra ao India, i Ambedkar. Ny lova navelan'i Ambedkar dia misy fahatsiarovana sy sary marobe amin'ny kolontsaina malaza. Ny lova navelan'i Ambedkar amin'ny maha-reformista ara-tsosialy sy ara-politika azy dia ny fiatraikany lalina tamin'ny India moderina.[11][12]

Ambedkar dia voafidy ho "Indianina lehibe indrindra" (The Greatest Indian) tamin'ny taona 2012 tamin'ny alàlan'ny fitsapan-kevitra nokarakarain'i History TV18 sy CNN IBN.[13]

Ny Ambedkar Jayanti (tsingerintaona nahaterahan'i Ambedkar) dia festival fanao isan-taona ankalazaina isaky ny 14 aprily, izay ankalazaina tsy any India ihany fa manerantany ihany koa. Ny Ambedkar Jayanti dia ankalazaina ho toy ny andro fialantsasatra ofisialy manerana an'i India.[14][15][16] Nankalaza an'i Ambedkar Jayanti ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 2016 sy 2017 ary 2018.[17][18][19]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  1. Bhimrao Ambedkar
  2. Ambedkar Jayanti 2019: Facts on Babasaheb to share with kids | Parenting News,The Indian Express
  3. How India’s Most Downtrodden Embraced the Power of Statues
  4. Bhimrao Ramji Ambedkar | Biography, Books, & Facts | Britannica
  5. All You Need To Know About BR Ambedkar On His 129th Birth Anniversary
  6. (2013) Donald S. Lopez, Jr. Princeton Dictionary of Buddhism. Princeton, NJ: Princeton University Press.
  7. https://theprint.in/opinion/why-ambedkar-chose-buddhism-over-hinduism-islam-christianity/237599/
  8. https://indianexpress.com/article/explained/buddha-purnima-special-why-ambedkar-coverted-to-buddhism-6397742/
  9. https://www.thequint.com/news/india/br-ambedkar-conversion-to-buddhism
  10. Christopher Queen (2015). Steven M. Emmanuel A Companion to Buddhist Philosophy. John Wiley & Sons, 529–531.
  11. Joshi, Barbara R. (1986). Untouchable!: Voices of the Dalit Liberation Movement. Zed Books, 11–14.
  12. Keer, D. (1990). Dr. Ambedkar: Life and Mission. Popular Prakashan.
  13. https://www.outlookindia.com/magazine/story/a-measure-of-the-man/281949
  14. http://ccis.nic.in/WriteReadData/CircularPortal/D2/D02est/12_6_2015_JCA-2-19032015.pdf Archived Aprily 5, 2015 at the Wayback Machine Endrika:Webarchive Ambedkar Jayanti from ccis.nic.in on 19 March 2015
  15. http://persmin.gov.in/ Webpage of Ministry of Personnel and Public Grievance & Pension
  16. 125th Dr. Ambedkar Birthday Celebrations Around the World. mea.gov.in
  17. "Ambedkar Jayanti celebrated for the first time outside India as UN organises special event - Firstpost". firstpost.com. Retrieved 2018-11-09.
  18. "UN celebrates Ambedkar's legacy 'fighting inequality, inspiring inclusion'". The New Indian Express. http://www.newindianexpress.com/world/2018/apr/14/un-celebrates-ambedkars-legacy-fighting-inequality-inspiring-inclusion-1801468.html. 
  19. "संयुक्त राष्ट्र में मनाई गई डॉ. बाबासाहेब भीमराव आंबेडकर जयंती - News State" (in en). newsstate.com. https://www.newsstate.com/world-news/babasaheb-ambedkar-jayanti-celebrated-in-united-nations-article-52584.html.