Aller au contenu

Aristôty

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Aristôtelesy)
Aristôty
Ankapobeny
Anarana Aristôty
Teraka 1 Janoary -383
Maty 1 Janoary -321
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
Fiainana manokana

I Aristôty na Aristôtelesy dia filôzôfy grika, mpanao asa soratra, mpahay kintana, mpahay fizika tamin' ny Andro Taloha, teraka tamin' ny tamin' ny taona 383 na 384 tal. J.K. ary maty tamin' ny taona 321 na 322 tal. J.K. Amin' ny teny grika dia atao hoe Ἀριστοτέλης / Aristotelês ny anarany.

Izy sy i Platôna, izay nampianatra azy tao amin' ny Akademian' i Platôna, dia mpandinika nanana ny maha izy azy tao amin' ny Tontolo tandrefana. Izy no anisan' ny filôzôfy vitsy izay nanoratra saika momba ny seha-pahalalana rehetra tamin' ny fotoanandrony, toy ny biôlôjia, ny fizika, ny metafizika, ny lôjika, ny pôetika, ny pôlitika, ny retôrika ary indraindray koa ny haitoekarena. Amin' i Aristôty ny filôzôfia dia raisiny amin' ny heviny mivelatra kokoa: sady fikatsahana fahalalana ny filôzôfia no fanontaniana momba ny tontolo ary siansan' ny siansa.

Amin' i Aristôty ny siansa dia mizara sampana telo lehibe: dia ny siansa teôrika sy ny siansa pratika ary ny siansa ampiharina. Ny siansa teôrika no sehatra tsara ampiasan' ny olona ny fotoana malalaka ananany. Anisan' izany ny "filôzôfia voalohany" (na metafizika) sy ny matematika, ary ny fizika, izay natsoina hoe "filôzôfia natoraly". Ny siansa pratika dia mitodika amin' ny asa (praxis) ka ao no sehatra andinihana ny pôlitika sy ny etika. Ny siansa ampiharina indray dia mahafaoka ny sehetry ny teknika sy ny famokaran-javatra ivelan' ny olombelona, ka anisan' izany ny fambolena, ny pôezia, ny retôrika, ary izay zavatra rehetra vokarin' ny olombelona. Ny lôjika indray dia tsy noheverin' i Aristôty ho siansa fa nataony ho fitaovana ahafahana mampivoatra ny siansa. Ao amin' ny asasorany atao hoe Organon no ahitana ny lohahevitra roa lehibe ilafihan' ny lôjika, dia ny silôjisma (izay nampiavaka ny skôlastika) sy ny kategôria (izay mamaly ny fanontaniana hoe: inona? aiza? oviana? firy? sns).

Ny fiainany manokana

[hanova | hanova ny fango]

Ny vadiny dia i Herpilisy ary ny zanany dia i Nikômakôsy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.