Antijodaisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny antijodaisma na fanoherana ny jodaisma dia fankahalana ny fivavahana jiosy, izay fiheveran' ny kristianisma ny jodaisma, fiheverana nisongadina tao amin' ny teôlôjian' ny fanoloana, izay avy amin' ny firehana kristiana maro, anisan' izany ny markiônisma sy ny foto-pampianarana aogostiniana momba ny "vahoaka vavolombelona".

Raha ny marina, ny antijodaisma dia tsy tokony hafangaro amin' ny antisemitisma na jodeôfôbia, na dia mety hifampiantraika aza izy telo ireo. Ny antisemitisma na ny jodeôfôbia dia fihetsika feno fankahalana ny Jiosy amin' ny maha vahoaka azy, tsy momba ny lafiny fivavahana. Kanefa, nandritra ny tantara dia nanjary nifangaro ireo hevitra roa ireo, araka ny nasehon' i Jules Isaac, ohatra, ao amin' ny bokiny hoe Jésus et Israël. ("I Jesoa sy i Israely").

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]