Anjavidy
Apparence
Ny anjavidy na anjavily dia vondron-karazan-javamaniry voninkazo ao amin' ny fianakaviana Ericaceae. Misy karazany 860 eo ho eo maneran-tany ilay vondron-karazana. Ireo zavamaniry ireo dia hazo madinika na kirihitra. Ny anarany ara-tsiansa dia Philippia na Erica. Saika ny 90 % amin' ny karazana dia any Afrika Atsimo, anisan' izany ny karazana maro izay tsy hita afa-tsy ao amin' io firenana io. Ny karazany 70 sisa dia hita manerana an' i Afrika sy manodidina an' i Mediteranea ary any Eorôpa. Ny tena fahita eto Madagasikara dia ny riadriatra (Philippia floribunda subsp. goudotiana na Erica goudotiana (sv)), nefa ao koa:
- ny anjavidilahimadinika (Philippia aristata na Erica bojeri (sv), sy Philippia cauliflora subsp. tenuis na Erica goudotiana (sv), ary Philippia gracilis (sv));
- ny anjavily na enjavily (Philippia floribunda subsp. orientalis na Erica goudotiana (sv));
- ny anjavidilahy na riadriatra (Philippia floribunda ((sv)));
- anjavidivavy (Philippia latifolia na Erica perrieri (sv));
- ngitakely (Philippia parkeri (sv)).