Anjampaly

Avy amin'i Wikipedia

Anjampaly dia kaominina ambanivohitra ao amin' ny Distrikan' i Tsihombe, Faritra Androy, Faritanin' i Toliara, eto Madagasikara. 30 km atsimon' i Tsihombe no misy ny tanànan' Anjampaly izay renivohitr' io kaominina io. Ao avarany ny kaominina Nikoly, ao atsinanana ny kaominina Antaritarika ary ao andrefany ny kaominina Betanty (na Faux-Cap). Kaominina vao niforona tamin' ny taona 2004 izy, izay tao anatin' ny kaominina Faux-Cap teo aloha. Ny kaominina Anjampaly dia mizara ho fokontany 20. Miisa 12 400 ny mponina ao aminy ka ny ankamaroany dia vehivavy.

Manana fotodrafitrasa vaovao ny renivohitry ny kaominina: sekoly ambaratonga voalohany (école primaire publique - EPP), kôlejy fampianarana ankampobeny (collège d'enseignement général - CEG) tobim-pahasalamana fototra (centre de santé de base - CSB) ary tsena. Fokontany 12 amin' ny 20 no manana sekoly ambaratonga voalohany.

Ny kaominina Anjampaly dia ianjadian' ny fahasahiranana momba ny tontolo iainana maharitra toy ny fanafihan' ny raketa mena, ny fahalotoan' ny ranomasina ary ny fanotofan' ny fasika izay mampihena ny velaran-tany azo ambolena. Ao koa ny tsy fahampian-drano, izay mahazo ny kaominina rehetra ao amin' ny Distrikan' i Tsihombe. izay mahakasika koa ny kaominina amorontsiraka mifanila aminy toa an' i Betanty (Faux Cap) sy i Marovato.

Manodidina ny 4 000 ny mpanjono amin' izao fotoana izao no miaina amin' ny jono any amin' ny morontsiraka nefa taorian' ny faharendrehan' ny sambo tiorka iray tao amin' ny kaominina Marovato, ny fiparitahan' ny solitany sy ny vokatra misy poizina hafa dia nanimba ny tontolo iainana an-dranomasina, ka manakana ny mponina amorontsiraka tsy hitrandraka ny ny loharanon-karena an-dranomasina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]