Andranomanonga

Avy amin'i Wikipedia

Andranomanonga dia fokontany iray ao amin' ny kaominin'Ambohimanambola, distrikan' Antananarivo Avaradrano, faritr' Analamanga. Tanana kely maromaro no mamorona ilay fokontany, dia Andranomanonga, Ambohitrakely, Ambatomaola, Talata-Ambozonosy, Mananjara, sns. Anjeva no kaominina ao atsinanan' ilay fokontany.

Mivelona amin' ny fambolena sy fiompiana ny ankamaroan' ny olona ao, ary anana toy ny tongoloherana (poireaux) sy petsay ary anantsonga no tena vokatra ankoatry ny vary. Lalovan' ny lalam-by mampitohy an' Antananarivo sy ny faritra atsinanana ilay fokontany. Nisy tsena nalaza teo Talatan' Ambozonosy fahiny, fony mbola natanjaka ny lalam-by, ary lasa EPP ny tsena ankehitriny. Mandalo eo Talatan' Ambozonosy ny mpanefy isaky ny Talata maraina. Raha handeha amin' iny faritra iny dia ny taksi-be suburbaine I miala eo Ambohijatovo mankany Anjeva no raisina dia miala eo Ankadilalana.