Andamaney (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Lehilahy andamaney-lehibe (mponina ao amin' nosy Andamàna-Lehibe)

Ny Andamaney dia vahoaka tompon-tany ao amin' ireo nosy Andamàna, anisan' ny vahoaka atao hoe Negritô. Ny ankamaroan' ny mponina hafa (ankehitriny maro anisa) dia ny Bengaley hindoista avy any Bengaly Atsinanana rehefa lasa Pakistàna Atsinanana (Bangladesy ankehitriny) ity farany. Ireo nosy Andamàna ireo dia ao amin' ny fari-tanin' ny Firaisana Indiana izay 800 km ao atsimo-atsinanan' i India ao amin' ny Helodranon' i Bengaly, ao amin' ny ranomasina manandrify ny morontsirak' i Mianmara (na Birmania).

Ireo nosy Andamàna[hanova | hanova ny fango]

Ireo nosy Andamàna sy Nikôbara any India

Ireo nosy Andamàna dia nosy maro ao avaratra atsinanan' ny Ranomasimbe Indiana, ao amin' ny Ranomasin' i Andamàna, mikambana amin' i India, ahitana nosy miisa 204 ka 38 no misy olona monina. I Port Blair no tanàna lehibe indrindra ao sady rehivohiny. Misy mponina 314 239 ny ao.

Ny vondrom-poko andamaney[hanova | hanova ny fango]

Miisa dimy ireo vondrom-poko andamaney. Ireo vondrom-poko ireo dia anisan' ireo vitsy anisa indrindra eto an-tany, ka ny sasany efa nanjavona na andalam-panjavonana. Ireto avy izy ireo: ny Andamaney-Lehibe, ny Jangly, ny Jaraoà, ny Ônga ary ny Sentinely.

Fitenin' ny Andamaney[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny any Andamàna dia fianakaviam-piteny misy vondrona roa, dia ny fiteny andamaney-lehibe sy ny fiteny andamaney-avaratra (atao hoe fiteny ônga-jaraoà).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]