Alexander Adelaar

Avy amin'i Wikipedia
Alexander Adelaar

I Karl Alexander Adelaar dia mpahay teny neerlandey teraka tamin' ny taona 1953 tao Den Haag. Tena liana tamin' ny fiteny aostrôneziana any Borneo sy eto Madagasikara ary any Taiwan izy, ary koa tamin' ny fiteny malaîka. Manao fikarohana momba ny lovantsofina sy haisoratra am-bava ao Indônezia ihany koa izy.

Mifototra ao amin' ny Oniversiten' i Melbourne amin' izao fotoana izao i Adelaar. Izy no tonian-dahatsoratry ny Pacific Linguistics ankehitriny.

Nahazo diplôma tamin' ny fandalinana ny fiteny indôneziana tao amin' ny Oniversite Leiden i Adelaar. Tamin' ny taona 1977 izy dia nanohana ny tsangan-keviny, ary tamin' ny taona 1985 no nahazoany ny diplôma momba ny haiteny aostrôneziana.