Ahmad Tavakkoli

Avy amin'i Wikipedia
Ahmad Tavakkoli

I Ahmad Tavakkoli dia mpanao pôlitika iraniana mpandala ny nentin-drazana, mpanao gazety ary mpikatroka miady amin' ny kolikoly. Tale mpitantana ny tranokalam-baovao Alef izy amin' izao fotoana izao ary mpanorina ny fikambanana mpanara-maso ny kolikoly.

I Tavakkoli dia solontena taloha tao amin' ny fari-pifidianan' i Teheran, Rey, Shemiranat ary Eslamshahr ao amin' ny Antenimiera (Majlis) sady talen' ny Foibem-Pikarohan' ny Majlis (Majlis Research Center).

Minisitry ny Asa teo ambany fitarihan' i Mir-Hossein Mousavi I Tavakkoli, solontenan' ny Antenimieran' i Behshahr, ary nirotsaka ho fidina ho filoham-pirenena tamin' ny fifidianana roa tao Iràna (nifaninana amin' i Ali Akbar Hashemi Rafsanjani sy i Mohammad Khatami).

Niala vetivety tamin' ny fanaovna pôlitika i Tavakkoli rehefa nanery azy hiala tao amin' ny Ministeran' ny Asa ny mpanohitra avy amin' ny Ankavia.

Nanorina ny Resalat, gazety mpandala ny nentin-drazana izy, avy eo nandao an' i Iràna mba hianatra toekarena any amin' ny Fanjakana Mitambatra, izay nahazoany ny diplômany dôktôrata.