Orana
Avy amin'i Wikipedia
Ny orana dia rano milatsaka avy amin'ny rahona any an-danitra, eto an-tany, ny orana dia vokatry ny fiandon'ny evokan'ny rahona rehefa mihamangatsiaka ny andro. Ny orana dia loharano voalohany ho an'ny ankabeazan'ny tany, satria manome toetra tsara ipetrahan'ny zava-misy sy ny zava-maniry. Saingy tsy tonga eto an-tany eto ny orana rehetra, miverina any an-dranomasina ny 80 isan-jaton'ny orana latsaka. Ho an'ny orana tsy milatsaka eny an-dranomasina, misy zava-mitranga tenenina hoe « virga » amin'ny teny anglisy, ny virga dia orana tsy milatsaka amin'ny tany fa orana lasa evoka alohan'ny fahatongavany eto an-tany. Any amin'ny tany mafana no tena misy izany fisehoana izany.