Havandra
Ny havandra dia karazana rotsak'orana miforona any anaty orambe rehefa mando ny rivotra ary rehefa mitsoka maty ny rivotra mihakatra (courants ascendants). Kanety ny endrika alainy, ary mety misy 5 milimetatra hatramin'ny 10 santimetatra nu savaivon'ilay « kanety ». Ny kaody METAR ny havandra dia GR (grêle).
Votoatiny |
Fiaviana[hanova]
Ny havandra dia miforona ao anaty rivotra mafana sy mando, eo ambonin'ny hafanana ivaingananana, mitsingilahila. Ny rivotra voaainga dia lasa ampoka satria ny hafanan 'ilay etona dia midina rehefa mihakatra eny ambony araka ny lalan'ny etona tonga lafatra. Ny rano ambiny dia mamorona ilay rahona dia aveo mamorona ny orana. Miitatra hatrany arakaraky ny herin-drivotra mihakatra ny hangezan'ny havandra, ary mivaingana avy hatrany izy ireo. Rehefa mivaingana, ny tete-drano dia dia tsy maintsy ao ambanin'ny hafanana ivaingina ary mahita vaonina ivainginana. Raha tsy mahita izy, dia mijanona ranoka izy ary mijanona toy io foana raha mahery ny -39°C ny hafanana, io zavatra io dia afahany mihakatra any an-tapon-drahona.
Rehefa mivaingana any ambonin'ny trôpôsfera (eo ambonin'ny soson-drivotran'ny tany) manan-kafanana latsaky ny -10°C ny tete-drano, lasa vaonina ivainginana izy. Amin'ilay tsindrin'ny entona fiampohan'ny ranomandry latsaky ny an'ny rano ao ambanin'ny 0°C, ny enton-drano ao anatin'ilay rivotra mihakatra izany dia mora midanizina kokoa eo amin'ny vaonina ranomandry noho ny eo amin'ny rano. Ny havandra izany dia miitatra haingankaingana kokoa noho ny tete-drano ao anaty soson-drivotra mando tahaka ny rahon'orambe.
Jereo koa[hanova]
Rohy ivelany[hanova]
| I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Havandra |
Miteny frantsay[hanova]
- ((fr)) Principales tempêtes de grêle au Canada
- ((fr)) Photographies de grêle en France sur le site de l'association Infoclimat.
- ((fr)) Association Nationale de lutte contre la grêle