Kirgizistàna

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Kirgizistana)
Кыргыз Республикасы (Kyrgyz)
Киргизская Республика ru
Repoblikan'i Kirgizistana ((mg))
Sain'i Kirgizistana Emblem of Kyrgyzstan
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny ofisialy Kyrgyz (fitenim-panjakana)
Rosy (fiteny ofisialy)
Renivohitra Bishkek
41°13′N 75°00′E
Tanàna lehibe indrindra Bishkek
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
Praiminisirtra
Repoblika
Sadyr Japarov (Садыр Жапаров)
Akylbek Japarov (Акылбек Жапаров)
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 85
199 951 km²
2020
Isam-ponina
 - Tontaliny (2020)
 - hakitroka
faha 110
6 523 529 mpo.
32,63 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Kirgizka
Sandam-bola Som (KGS)
Faritr'ora UTC
Hiram-pirenena '
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
++996

I Kirgizistàna dia firenena ao Azia Afovoany. Ny renivohiny dia i Bishkek. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 199 900 km2 ny velaran-taniny ary miisa 5 500 239 ny mponina ao araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2010. Ny faritr' ora dia +5 hatramin' ny +6. I Kirgizistàna dia tsy manana morontsiraka, nefa ahitana farihy betsaka. Firenena be tendrombohitra izy. Ny salan-kaambon’ ilay firenena dia 3 000 m ary ny tangoron-tendrombohitr' i Alai sy ny an' i Tian Shan dia ahitana tendro mahatratra mihoatra ny 7 000 m. Mihoatra ny 3 %n' ny velaran-tanin' io firenena io dia rakotra ranomandry sy orampanala mandavan-taona. Toetanin-tanibe ny toetany any Kirgizistàna ka lehibe ny fiovaovan' ny maripana.

Sarin-tanin' i Kirgizistàna

Ahitana vondrom-poko isan-karazany ny ao Kirgizistàna, ka anisan' izany ny Kirgizy izay maro anisa indrindra (manodidina ny 50 %), ny Rosiana (20 % any ho any) ary ny Ozbeka (10 % any ho any). Ny 70 %n' ny mponina dia Mozilmana. Tambanivohitra ny ankamaroan' ny mponina.

Ny famokarana landy no sehatr' asa ara-toekarena voalohany any Kirgizistàna, sahala amin' ny    any amin' ny faritra maro any Azia Afovoany.

Repoblika sôsialista sôvietika taloha, tao amin' ny Firaisana Sôvietika, i Kirgizistàna nefa nahazo fahaleovan-tena tamin' ny taona 1991. Mpikambana amin' ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena izy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.