Aller au contenu

Yalta

Avy amin'i Wikipedia

49°25′N 32°03′E / 49.417°N 32.050°E / 49.417; 32.050

Yalta
-
Velarantany 283 km2
Isam-ponina 138,000 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna NC
Firenena  Okraina
Faritany NC
Faritra NC
Yalta
Ny tanànan' i Yalta

I Yalta dia tanàna any amin' ny saikinosy Krimea, eo amoron' ny Ranomasina Mainty, 51 km atsimon' i Simferopol. Amin' ny teny rosiana sy okrainiana izy dia atao hoe Ялта / Yalta; fa amin' ny teny tatara krimeana kosa dia Yaltı. Tanàna rosiana i Yalta hatramin' ny fanakambanana an' i Krimea amin' i Rosia tamin'ny 2014, nefa tsy eken' ny lalàna iraisam-pirenena, tanàna okrainiana kosa izy araka ny lalàna iraisam-pirenena. Toerana amoron-dranomasina voahodidin-tendrombohitra misy ala, izay manana toetany pontika mahafinaritra, tsara ho an' ny tanim-boaloboka sy ny tanim-boankazo, i Yalta. Nisy mponina 78 115 ny ao tamin' ny taona 2013 ary 74 652 tamin' ny taona 2021; ny tangoron-tanànanany "Yalta Lehibe", dia misy mponina manodidina ny 150 000.