Sinoda Loterana Evanjelika ao Winsconsin

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Wisconsin Evangelical Lutheran Synod)

Ny Sinoda Loterana Evanjelika ao Winsconsin na Sinoda Loterana ara-Pilazantsara ao Winsconsin dia fiangonana loterana any Etazonia. Mitahiry ny teolojia nolovaina tamin'ireo mpanorina ny loteranisma tany aloha io fiangonana io. Tamin'ny taona 1850 no niforonany tao Milwaukee, any Wisconsin. Tamin'ny taona 2018 dia nisy mpinno vita batisa 359.426 izy izay mivavaka ao amin'ny fiangonana miisa 1.281 ao amin'ny fanjakana 47 ao Etazonia sy faritany 4 any Kanada. Atao hoe Wisconsin Evangelical Lutheran Synod (WELS) izy amin'ny teny anglisy. Ny WELS dia mitory ny filazantsara amin'ny firenena 40 maneran-tany. Izy no fiangonana loterana lehibe fahatelo ao Etazonia, ka ny Fiangonana Loterana Evanjelika ao Amerika na Evangelical Lutheran Church in America (ELCA) sy ny Fiangonana Loterana - Sinodan'i Missouri na Lutheran Church–Missouri Synod (LCMS) no eo alohany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]