Wikipedia:Takelaka/4 2021
Andriamasinavalona dia mpanjakan' Imerina nanomboka ny taona 1675 mandra-pahafatiny tamin' ny taona 1710. Andriantsimitoviaminandriandehibe no rainy, ary Rafaravavy no reniny. Andrianjakanavalondralambo na Ralambonandriantsimitovy no anarana nentiny fony izy tompom-bodivona tao Alasora, nanoa an’ Razakatsitakatrandriana zokiny, izay nandimby an' Andriantsimitoviaminandrianandehibe rainy izay mpanjaka tao Antananarivo. Avy amin' ny anarany ny anaran' ny sokajin' andriana atao hoe Andriamasinavalona ihany koa izay ahitana ny ampahan-taranany sy havany ary olona avy any ivelan' ny foko misy azy.
Tsy nanongana sy nandroaka an-jokiny teo amin’ ny fitondrana izy, fa ny vahoaka araka ny hevitra sy ny teti-kadin’ Andriamampandry hovalahy mpanolontsaina no nahatonga izany. Nisy 12 vavy ny vadin’ Andriamasinavalona, vokatry ny famoriam-panjakana, ary niteraka 9 lahy sy vavy maromaro izy. Samy tiany hahazo anjara fitondrana kely tsirairay teo amin’ ny fanjakana na zanany naterany na ny zanaky ny iray tampo aminy ka nahatonga ny fanjakana “menakely“ ho marobe. Andrianambonimena, zanak' anabaviny tao Alasora no notendreny handimby azy ho eo amin' ny fanjakana. Anefa, i Andriantomponimerina, zanany tao Ambohidratrimo no nanondrana ka nitana babo an-drainy fotoana maro hanereny azy hanome ny fanjakan’ Imerina manontolo. Afaka ihany anefa izy ka afaka niverina nody tao Antananarivo, renivohitry ny fanjakany. Niamboho sy nafenina tao Antananarivo izy tamin' ny taona 1710.Heverina ho naharitra 100 taona ny andro niainany. (tohiny...)