Wikipedia:Takelaka/2 2021

Avy amin'i Wikipedia
Sainam-pirenen'ny Repoblikan'i Kôngô

Ny Repoblikan' i Kôngô na Kôngô-Brazzaville dia firenena ao amin'ny faritra afovoan'i Afrika. I Brazzaville no renivohiny. Mifanefi-tany amin’ ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô ao atsimo sy ao atsinanana, amin’ i Angôla ao atsimo andrefana, amin’ i Gabôna ao andrefana ary amin’ i Kamerona ao avaratra-andrefana izy. Manana morontsiraka mirefy 169 km amin’ ny Ranomasimbe Atlantika izy ary manana velaran-tany mirefy 342 000 km2. Isan' ireo firenena farany mahantra ny Repoblikan' i Kôngô.

Ny Pigmea Mboty no mponina voalohany tao amin' ny faritra misy ny Repoblikan'i Kôngô ankehitriny. Niorim-ponenana tao koa tamin’ ny fiandohan’ ny fanisan-taona iraisana ny Banto. Ireo fanjaka-mpanjaka roa lehibe dia ny fanjakan’ i Lôangô sy fanjakan’ i Kôngô. Ny fanjakan’ i Lôangô dia fanjakana miankina amin' ny fanjakan’ i Kôngô. Ny faharavan’ ny fanjaka-mpanjaka, ny fivarotana andevo, ny ady mitam-pidiana dia nanakorontana ny fiainan’ ny mponina. (tohiny...)