Wikipedia:Takelaka/*/Andriana

Avy amin'i Wikipedia

Raha ny arkeolojian'ny teny no jerena, ny teny hoe « Andriana » dia efa nampiasain'ireo vazimba (anarana iantsoana ireo mponina taty anivontany talohan'ny nanjakan'i Rabiby sy Andriamanelo) efa hatry ny ela. Porofon'izany, maro ireo vazimba no ahitana ny teny hoe « andriana » amin'ny anarany. Manarak'izany, ny teny hoe « andriana » dia saika efa nampiasain'ny foko maro eran'ny Madagasikara ary efa aman-jatotaona tokoa. Midika izany fa tsy foko tokana na vitsy no nivoy ny foto-mpandaminana « andriana » araka ny filazan'ny olona sasany azy.

Ny teny hoe « andriana » dia manana heviny roa: ny voalohany dia hoe « andry », izay manana ny lanjany tokoa teo amin'ny ntaolo, satria ny tranon'izy ireo dia misy andry iray lehibe eo afovoany izay ianteheran'ny trano iray manontolo. Ny andriana ary dia ilazana olona azo ianteheran'ny maro. Heviny faharoa, ny « andriana » dia ilazana koa toerana azo atorizana. Zava-dehibe teo amin'ny ntaolo tokoa fahizay ny fandriampahalemana ka na ny fototeny aza dia « andriana ». Ilazana koa izany fa ny « andriana » dia olona azo ianteherana amin'ny fandriampahalemana. Ary farany, ny teny hoe « andriana » dia saika fahita amin'ny anaran'ny olona rehetra na tompoina, na hova na mpanompo. Izany hoe tsy teny natokana hampiasain'olombitsy ny « andriana » fa azon'ny rehetra hampiasaina tsara. (tohiny...)