Aller au contenu

Vondrona (zavamaniry)

Avy amin'i Wikipedia
Vondrona any amin' ny faritry ny ony Volga (any Rosia).

Ny vondrona na vondro dia karazan-javamaniry ao amin' ny vondron-karazana Typha sy ny fianakaviana Typhaceae, maniry amin' ny tany mando. Typha angustifolia ny anarany ara-tsiansa. Izy io dia zavamaniry ahitra maniry maharitra, izay hita any amin' ny faritra manana toetany antonony sy mafana, indrindra any amin' ny ila-bolantany avaratra. Mahatanty rano masirasira kely izy. Ity zavamaniry ity dia mety manana haavo mirefy 1 ka hatramin' ny 3 m, misy ravina mifandimby 3 ka manana sakany mirefy hatramin' ny 10 mm, miloko maitso. Ny tamba-boniny dia karazana babiny roa mifanao ambony sy ambany mielanelana 2 ka hatramin' ny 8 sm. Ny babiny lahy, eo ambony, dia misy volovolony mena lava kokoa noho ny lahimbony, ary ny babiny vavy dia miendrika varingarina sy madinika, manja (rehefa matoy dia mety mahatratra 1,5 hatramin' ny 2 sm ny sakany). Zavamaniry ilaina izy ho an' ny biby mampinono miaina an-drano (ho an' ny karazam-boalavo sasany, ohatra).