Vondrom-piteny bisaia

Avy amin'i Wikipedia

Ny vondrom-piteny bisaia na visaia dia fiteny maromaro ampiasain' ny Bisaia any Filipina, ao amin' ny faritra antsoina hoe Bisayas sy any Mindanao ary anisan' ny fiteny aostrôneziana. Anisan' io vondrona io indrindra ny fiteny asy, ny fiteny seboanô, ny fiteny bisaia afovoany sy andrefana, ny fiteny sorigaônôna. Fiteny telopolo mahery no mandrafitra ity vondrona ity, ka anisan' izany ny fiteny seboanô ( mpiteny 20 tapitrisa) sy ny fiteny hiligainôna (7 tapitrisa) ary fiteny oaray-oaray (3 tapitrisa) no be mpampiasa indrindra.