Aller au contenu

Voa (taovam-biby)

Avy amin'i Wikipedia
Voa

Ny voa dia taova roa mitovy ao amin' ny biby manana hazondamosina, miloko menamena, eo an-dany roan' ny hazondamosina, izay iforonan' ny amany avy amin' ny fandiovany ny ra amin' ny loto rehetra nentin' ny ra. Ao amin' ny olon-dehibe dia mahatratra 12 sm ny halavany. Manana asa maro izy io: mamorona hôrmônina sy mandrindra ny tosidra ary manala poizina. Izany dia miantoka, amin' ny alalan' ny fitantavanana sy ny famoahana ny amany, ny fifandanjana simikan' ny taharon' ny ra sy ny vatana manontolo amin' ny ankapobeny. Matetika izy io dia hita amin' ny faritra ao anaty kibo manakaiky ny lamosina. Miovaova be ny habeny sy ny endriny arakaraka ny karazam-biby: malama izy ao amin' ny olombelona, ​​mivalombalona amin' ny biby mandinika, miparitaka ao amin' ny vorona, sns.