Aller au contenu

Vesatra

Avy amin'i Wikipedia
Fitaovam-pandrefesana vesatra

Ny vesatra ao amin' ny zavatra iray dia ny hery miasa amin' ilay zavatra noho ny fihafainganam-pandeha na noho ny fifampisintonan' ny zavatra rehetra manana lanja. Ny venty ampiasaina amin' ny fandrefesana ny lanja ao amin' ny Lamim-Benty Iraisam-Pirenena (anglisy: International System of Units; frantsay: Système International d'Untés) dia ny newton (N). Ity venty ity dia mitovy amin' ny tohitry ny tambatry ny hery hafa ampiharina amin' ny ivon-besatry ny zavatra iray rehefa heverina fa tsy mihetsika ilay zavatra.

Ohatra amin' izany ny hery isintonan' ny Tany ny zavatra rehetra manana lanja noho fifanakaikezany amin' ny Tany. Raha entina eny amin' ny Volana io zavatra io dia tsy miova ny lanjany fa ny vesany no miova. Ny zavatra iray milanja iray kilôgrama dia manana ny lanjany mirefy 9,81 N eto ambonin' ny Tany, nefa eo amin' ny ampahenin' izany raha eny amin' ny Volana (3,72 N).