Utnapishtim

Avy amin'i Wikipedia

I Utnapishtim na Uta-Napishtim na Utanapishti no maherifo tamin' ny Safodrano tantaraina ao amin' ny Epikan' i Gilgamesh. Atao hoe Utanapištî, izy amin' ny teny akadiana, izay mety azo vakina hoe Ud/t-, ou Ûm-napištim/napišti. Ny fedrà momba an' i Atrahasis dia mampiasa ny teny hoe "Hendry indrindra" (amin' ny teny akadiana: Atraḫasîs).

I Utnapishtim dia zanakalahin' i UbarTutu ("Arovan' ny andriamantr' i Tutu”), ilay mpanjaka voalohany sady tokana tao Shuruppak (Šurupak). Mba hamonjena ny ainy, ny andriamanitra Éa (Enki) dia nanome baiko azy hamoy ny hareny sy handrava ny tranony hanaovana sambo. Ny Epikan' i Gilgamesh dia mitantara manokana ny fomba namonjena an' i Utnapishtim tamin' ny Safodrano nateraky ny fahatezeran' ilay andriamanitra Enlil. Rehefa maty ny olona rehetra nanatri-maso ilay loza, ny andriamanitra rehetra sy i Utnapishtim, ilay hany tafita velona, ​​no mahalala ny "tsiambaratelo" momba ilay Safodrano.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]