United States Department of State

Avy amin'i Wikipedia
Tombokasen' ny U.S. Department of State

Ny United States Department of State (DOS), na State Department, dia departemanta mpanatanteraka ao amin' ny governemanta federaly amerikana izay miandraikitra ny pôlitika ivelany sy ny fifandraisana amin' ny firenena any ivelany. Noho izy mitovy amin' ny Ministeran' ny Raharaham-bahiny any amin' ny firenena hafa, ny andraikiny voalohany dia ny manoro ny filoha amerikana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny fitantanana iraka diplômatika, ny fifampiraharahana amin' ny fifanarahana iraisam-pirenena ary ny fisolontenan' i Etazonia ao amin' ny Firenena Mikambana. Ny foibe dia ao amin' ny Harry S Truman Building, trano vitsivitsy miala ny White House, ao amin' ny manodidina ny Foggy Bottom any Washington, D.C.; ny "Foggy Bottom" dia matetika ampiasaina hanondroana azy koa.

Niorina tamin' ny taona 1789 amin' ny maha sampana fitantanan-draharaha voalohany ao amin' ny fahefana mpanatanteraka amerikana azy ny United States Department of State izay heverina ho anisan' ireo masoivoho mpanatanteraka matanjaka sy malaza indrindra. Ny sekreteram-panjakana amerikana, izay manao tatitra mivantana amin' ny filoha amerikana sady mpikambana ao amin' ny kabinetra, no mitarika azy. Mitovy amin' ny minisitry ny Raharaham-bahiny ny sekreteram-panjakana izay lehiben'ny diplômasia sy solontena federaly any ivelany, ary izy no tompon' andraikitra voalohany ao amin' ny kabinetra amin' ny filaharam-pahamboniana sy eo amin' ny lalam-pifandimbiasan' ny filoham-pirenena. Ny tompon-toerana amin' izao fotoana izaodia i Antony Blinken, izay notendren' ny filoha Joe Biden ary nohamafisin' ny Antenimieran-doholona amerikana tamin' ny 26 Janoary 2021, tamin' ny latsa-bato 78–22.

Tamin' ny taona 2019 ny State Department dia mitantana toerana diplômatika miisa 273 maneran-tany, faharoa aorian' ny Minisiteran' ny Raharaham-bahiny ao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. Izy ihany koa no mitantana ny U.S. Foreign Service ("Raharaham-bahiny amerikana"), manome fiofanana diplômatika ho an' ireo manampahefana sy miaramila amerikana, mampiasa fahefana ampahany amin' ny fifindra-monina, ary manome tolotra isan-karazany ho an' ny Amerikana, toy ny famoahana pasipaoro sy viza, fanomezana toro-hevitra momba ny fandehanana any ivelany, ary ny fampandrosoana ny fifandraisana ara-barotra any ivelany. Ny Department of State dia mitantana ny sampam-pitsikilovana sivily tranainy indrindra any Etazonia, dia ny Bureau of Intelligence and Research, ary mitazona sampana miandraikitra ny fampiharana ny lalàna, dia ny Diplomatic Security Service.