Hankany amin'ny vontoatiny

Tsipoy

Avy amin'i Wikipedia
Tsipoy
Tsipoy

Ny tsipoy na traotrao na timpoy[1] dia vorona madinika, ao amn' ny fianakaviana Phasianidae, mitovy amin' ny akohokely, lehibebe kokoa noho ny kibobo, miloko maramara fotsy mipentina volomparasy ny tratra sy ny vozon' ny lahy, fa ny vavy kosa miloko volombatolalaka mipentina fotsy sady kelikely kokoa. Ny anarany ara-tsiansa dia Margaroperdix madagarensis. Io no karazana tokana ao amin' ny vondron-karazana Margaroperdix.

Miely patrana manerana an' i Madagasikara (afa-tsy any amin' ny farany atsimo) ity vorona ity ary efa nampidirina ao La Réunion sy ao Maorisy tamin' ny taonjato faha-18. Ny fonenany voajanahary dia ny ala mando an-tany lemaka na an-tendrombohitra manana toetany mafana sy mando (haambo 0 m hatramin' ny 2 700 m). Mety amin' ny tsipoy ny toerana malalaka, ny kijana, ny tany tsy misy ala, ary ny saha, nefa maina mandrakariva.

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Ataovy tsipoy mifamelona, fa aza atao vay ratsy mifampihinana.
  • Zaza kamboty miaraka an' efitra, tsipoy mifamelona.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Office de la recherche scientifique Outre-Mer centre Tananarive, Les animaux de Madagascar - oiseaux (PDF),