Toekarena (taranja)
Ny toekarena, na siansa ara-toekarena dia taranja ao amin' ny siansa sôsialy, izay mandalina ny toekarena amin' ny maha fisahanana asan' olombelona an' ity farany ity, izay ahitana ny famokarana sy ny fitsinjarana ary ny fanjifana entana sy servisy. Atao hoe ekônômia koa io taranja io. Ny teny hoe ekônômia dia avy amin' ny teny grika hoe οἰκονομία / oikonomía, fitambaran' ny teny hoe οἶκος / oikos ("trano") sy νόμος / nomós ("lalàna"), izay midika hoe "fitantanana ny tokantrano".
Raha samy nanoratra momba ny toekarena tao amin' ny Andro Taloha i Ksenôfôna sy i Aristôty, dia tamin' ny taonjato faha-16 no nipoiran' ny eritreritra ara-toekarena môderina, niaraka amin' ny merkantilisma, avy eo tamin' ny taonjato faha-18 niaraka amin' ny Fiziôkraty. Nanomboka tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-18 ny ekônômia pôlitika niaraka amin' i Adam Smith, avy eo i David Ricardo sy i Jean-Baptiste Say (atao hoe klasika) tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-19. Tamin' ny revôlisiôna marzinalista tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 no nipoiran' ny toekarena, amin' ny maha taranja siantifika azy, ary lasa rafitra.
Ao anatin' ity taranja ity dia misy sampana roa lehibe: ny makrôekônômia, izay mandalina ny fitambarana ara-toekarena lehibe (tahiry, fampiasam-bola, fanjifana, fitomboan' ny toekarena), sy ny mikrôekônômia, izay mandinika ny fihetsika amam-piheveran' ny mpisehatra amin' ny toekarena (olona, tokantrano, orinasa) sy ny fifandraisan' izy ireo, indrindra eo amin' ny tsena.
Tahaka ny amin' ny taranja hafa, ny toekarena dia mizara ho zana-taranja maro, hatramin' ny teôria ara-toekarena, izay mikendry ny hanangana fitambarana lahatsoratra fototra momba ny fiasan' ny toekarena, ka hatramin' ny toekarena ampiharina, izay mampiasa ny fitaovan' ny teôria ara-toekarena sy ny taranja hafa manampy izany mba handalinana ny sehatra manan-danja maro toy ny tontolo iainana, ny asa, ny fahasalamana, ny fananana tany sy trano, ny fandaminana indostrialy ary ny fanabeazana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Seha-pihariana fahatelo
- Seha-pihariana fahefatra
- Fambolena
- Fiompiana
- Jono
- Harena an-kibon' ny tany
- Indostria
![]() |
I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Economics |