Seha-pihariana fahatelo

Avy amin'i Wikipedia

Ny seha-pihariana fahatelo na sehatr' asa fahatelo na sehatra ara-toekarena fahatelo na sehatra fahatelo dia vondron' asa fihariana ahitana ny indostrian' ny serivisy (indrindra tsy azo tsapain-tananana: torohevitra, fiantohana, fanelanelanana, fanofanana, fianarana sy fikarohana, fitantanan-draharaha, fiarovana, fanadiovana, sns.). Ny sehatra fahatelo dia tsy voafaritra mazava tsara. Ao anatin' izany ny asa rehetra tsy ao amin' ny sehatra roa voalohany (seha-pihariana voalohany sy seha-pihariana faharoa) ary azo ampifandraisina amin' ny asa manome entana tsy azo tsapain-tanana ho an' ny tsirairay na ho an’ ny fiarahamonina na ho an’ ny orinasa izany. Ny sehatra fahatelo dia ahitana ny serivisy azo amidy na tsia, anisan' izany ny varotra (ambongadiny sy antsinjarany), varotra fiara sy fanamboarana ny simba, ny fanofana trano, ny paositra sy fifandraisan-davitra, ny fiantohana, ny fizahan-tany, ny tolotra ara-pahasalamana, ary farany ny tolotra omen' ny fitantanana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]