Tirosy

Avy amin'i Wikipedia
Andry vato tranainy mipoitra ivelan' ny ranomasina, ny tanàna vaovao any aoriana amin' ny faravodilanitra.
Sarin-tanin' i Libanona

I Tirosy na Tiro[1] na Tira[2] (arabo: صور, grika: Τύρος, Týros) dia tanàna any amin' ny tapany atsimon' i Libanona, iray amin' ireo tanàna tranainy indrindra misy olona eran' izao tontolo izao, na dia ao vanim-potoana amin' ny Andro Antenatenany nandritra ny taonjato vitsivitsy monja, nisy mponina kely fotsiny. Izy io dia iray amin' ireo tanàna lehibe fenisianina voalohany indrindra sy toerana nahaterahan' i Eorôpa, ary i Kadmôsy sy i Foeniksa ny rahalahiny, ary koa i Didô mpanorina an' i Carthage.

Firesahana an' i Tirosy ao amin' ny tontolo jodeô-kristiana[hanova | hanova ny fango]

Firesahana an' i Tiro ao amin' ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny bokin-tantara[hanova | hanova ny fango]

Araka ny voasoratra ao amin ny Baiboly, tamin' ny nanamboarana ny Tempolin' i Jerosalema voalohany (atao hoe Tempolin' i Salômôna, taonjato faha-10 tal. J.K.) dia nandefa hazo sy mpandrafitra sy mpiasa trano tany amin' i Salômôna i Hirama I mpanjakan' i Tiro (1Mpanj. 6-8; 2Tantara 3-5).

Ao amin' ny bokin' ny mpaminany[hanova | hanova ny fango]

Ny Bokin’ i Isaia (vita tamin' ny taonjato faha-4 na faha-3 tal. J.K.) dia miresaka ny faharavan’ i Babilôna sy i Tiro (Isaia 13 – 23).

Ny kônsily natao tao Tiro[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny vanipotoan' ny kristianisma dia nisy kônsily na sinôda telo natao tany Tiro dia ireto:

  • ny kônsily voalohany dia natao tamin' ny taona 335 taor. J.K., izay nitsarana an' i Atanasiosy;
  • ny kônsily voalohany dia natao tamin' ny taona 449 taor. J.K., izay nandinihana ny amin' i Ibasy, evekan' i Edesa;
  • ny kônsily voalohany dia natao tamin' ny taona 514 na 515 taor. J.K., izay nandavana ny Kônsily tao Kalkedôna (na Kalsedoana).

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Tyro no fiantsoana azy ao amin' ny Baiboly prôtestanta malagasy
  2. Tira kosa no fiantsoana azy aoamin' ny Baiboly katôlika malagasy