Teôdôsio I

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Theodosius I)
Teôdôsio I
Ankapobeny
Anarana Teôdôsio I
Teraka 11 Janoary 347
Maty 17 Janoary 395
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Rôma Taloha
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Teôdôsio I na Teôdôsio Lehibe dia emperora rômana, teraka tamin' ny 11 Janoary 347 tany Espaina ary maty tamin' ny 17 Janoary 395 tany Italia, nanjaka tamin' ny taona 379 hatramin' ny 17 Janoary 395 nahafatesany. Amin' ny teny latina dia atao hoe Flavius Theodosius Augustus na Theodosius Magnus izy. Ankalazaina amin' ny 17 Janoary amin' ny maha olo-masin' ny Fiangonana ôrtôdôksa azy izy. Izy no emperora nanapaka farany ny Empira Rômana mbola tsy nizara roa (Andrefana sy Atsinanana).

Nanaraka izay alehan-drainy, ny jeneraly Teôdôsio Majôra (latina: Theodosius Major) izy tamin' ny fanafihana mitohy natao tamin' ny Bretôna, nefa, tamin' ny nahafatesan-drainy dia niverina ka nitoetra tany Espaina izy.

Taorian' ny nahafatesan' ny emperora Valentio (latina: Flavius Iulius Valens Augustus) tamin' ny ady amin' ny Gôty tany Andrianôpôlisy tamin' ny taona 378 dia nisafidy an' i Teôdôsio ho governoran' ny Atsinanana ny emperora rômanan' ny Andrefana atao hoe Gratiano (latina: Flavius Gratianus Augustus); nasa emperora izy ny taona manaraka an' io.

Tamin' ny taona 382, taorian' ny ady maimaika maro nifanaovan' ny ampahan-tafika notarihiny dia nanao fifanarahana momba ny fandriampahalemana tamin' ny Gôty izy, ka afaka nitoetra tao amin' ny empira ny Gôty izay nanaiky ny hanao asa fanompoana ao amin' ny tafiky ny empira.

Taorian' ny famonoana an' i Gratiano tamin' ny taona 383 dia nanaiky ny maha emperoran' ny Andrefana an' i Magno Klementio Maksimo (latina: Magnus Clemens Maximus), izay mpaka fahefana tsy ara-dalàna, i Teôdôsio, afa-tsy i Italia izay mbola nanjakan' i Valentiniano II (latina: Flavius Valentinianus) amin' ny maha mpandimby azy ara-dalàna an' i Gratiano. Tamin' ny nanaovan' i Maksimo fananiham-bohitra an' i Italia tamin' ny taona 388 dia nandresy an' i Maksimo i Teôdôsio sady nahafaty azy ary namerina an' i Valentiniano teo amin' ny toeran' ny emperora rômanan' ny Andrefana.

Malaza ao amin' ny kristianisma ôrtôdôksa i Teôdôsio noho izy nanenjika ny Ariana sady nanao izay hahafoana ny fanaon' ny fivavahana rômana taloha.

Tamin' ny taona 390 anefa dia nanome baiko handringana ny vahoaka mpikomy tao Tesalônika tany Grisia miisa 7 000 any ho any izy ka naongan' ny evekan' i Milano atao hoe Ambrôsio (latina: Aurelius Ambrosius), izay nandidy azy hanao fivalozana imasom-bahoaka alohan' ny hamerenana azy ho isan' ny Fiangonana.

Tamin' ny taona 392 dia novonoin' ny jeneraly Arbôgasta (latina: Flavius Arbogastus), izay nametraka an' i Eogenio (latina: Flavius Eugenius Augustus) ho andriamanjaka saribakoly hisolo azy, i Valentiniano. Nanafika an' i Italia indray i Teôdôsio ka naharesy an' i Arbôgasta sy i Eogenio tamin' ny volana Septambra 394.

Nandritra ny efa-bolana manaraka dia lasa emperoran' ny Atsinanana sy ny Andrefana izy. Taorian' ny fahafatesany tao Milano tamin' ny 17 Janoary 395 dia i Arkadio (latina: Arcadius) no nandimby azy tany Atsinanana ary i Flavio Hônôrio (latina: Flavius Honorius) kosa ny tany Andrefana.

Ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

I Theodosius Major no rainy. Ny vadiny dia i Aelia Flaccilla, Galla. Ny zanany dia i Galla Placidia, i Honorius ary i Arcadius.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.