Teozofia

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Emb logo.png

Ny teozofia dia fomba fiainana ara-pilozofia sy ara-pivavahana, ary endrika manokan'ny fikatsahana ara-panahy ny fahalalana ny amin'Andriamanitra sy izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fahatsapana mistika mivantana sy ny fametraham-panontaniana ara-pilozofia.

Io teny hoe teozofia io dia avy amin'ny teny grika hoe θεός / theos sy σοφία / sophia, ka midika ara-piforonan-teny hoe "fahedren'Andriamanitra".

Ny teny hoe teozofia dia manana heviny roa miavaka tsara. Ny voalohany dia manondro vondrom-pampianarana ezoterika nandritra ny Andro Taloha sady mety mbola nitohy fisiana tany Andrefana, tamin'ny alalan'ny teozofia kristiana alemàna izay nampandrosoin'i Jakob Böhme tamin'ny taonjato faha-17. Ny faharoa dia ny "teozofian'ny andro ankehitriny" na "teozofisma", izay manonDro ny Fikambanana teozofika.