Tangozan-dravina
Apparence
Ny tangozan-dravina dia ampahany amin' ny ravina, toy ny taho kely, izay mampifandray ny felan-dravina amin' ny taho. Ny tangozan-dravina, izay manana rafitra anatiny mitovy amin' ny taho, dia ahitana andian-dalan-dranon-kazo. Mitovitovy amin' ny tangozam-bony na tangozam-boa ho an' ny voankazo izy io, ka mitsinjara ny ranon-kazo tsy mbola voasa ao amin' ny ravina, toy ny orinasa fôtôsintetika izay mamokatra ny ranon-kazo voasa (asidra misy aminina, siramamy, glikôzenina) izay averina tsinjaraia amin' ny faritra hafa amin' ny zavamaniry amin' ny alalan' io lalan-dranon-kazo io ihany.