Tandavan-tendrombohitra Skandinaviana

Avy amin'i Wikipedia
Tendrombohitra Akka, ao amin' ny tangorom-bohitra Áhkká, hita avy eo amin' ny lembalemba avo Maukojaureh ao avaratra-atsinanany. Ilay tendrombohitra eo amin' ny farany ankavia amin' ny sary dia i Kisuris (1664 m).
Sarintany tôpôgrafikan' i Skanda.

Ny Tandavan-tendrombohitra Skandinaviana, na Alpa Skandinaviana, izay antsoina hoe Skanda ihany koa, dia tandavan-tendrombohitra mamakivaky ny Saikanosy Skandinaviana. Ny ilany andrefana amin' io tandava-tenddrombohitra io dia mitsotsorika tsikelikely mankany amin' ny Ranomasina Avaratra sy ny Ranomasin' i Nôrvezy, ka mamorona ny fiôrdan' i Nôrvezy, avy eo izy miolaka tsimoramora mianavaratra-atsinanana any Failandy. Any avaratra izy dia mamorona ny sisin-tany eo anelanelan' i Nôrvezy sy i Soeda, ka mahatratra 2 000 m ny haavony ao amin' ny Faribolana Arktika. Mipaka saika hatrany amin' ny sisiny avaratra-atsinanana amin' i Failandy ilay tandavan-tendrombohitra nefa lasa vondron-kavoana rehefa any avaratra ao amin' ny Nordcape ("Tanjona Avaratra").

I Galdhøpiggen hita avy andrefana, tendrombohitra avo indrindra any Nôrvezy

Ireo tendrombohitra ireo dia azo lazaina fa avo raha mitaha amin' ny maha tandavan-tendrombohitra tanora azy ary mideza loatra eo an-toerana; i Galdhøpiggen ao amin' ny tapany atsimo amin' i Nôrvezy no tendro avo indrindra ao Eorôpa Avaratra, izay mahatratra 2 469 m; i Kebnekaise no tendro avo indrindra ao amin’ ny ilany mahazo an' i Soeda, izay mahatratra 2 104 m; fa ny tehezan' i Halti no toerana avo indrindra any Failandy izay manana haavo 1 324 m, na dia ao Nôrvezy aza no misy ny tendron' i Halti.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]