Tambajotra nerônina

Avy amin'i Wikipedia
Tambajotra nerônina tsotra

Ny tambajotra nerônina (amin'ny teny anglisy : neural network, teny frantsay : réseau de neurones) dia teny hitononana ireo tambajotra nerônina voajanahary (na nerônina biolojika) na voatrolombelona.

Amin'ny taranjan'ny kajimirindra ny tambajotra nerônina dia midika tambajotra nerônina voatrolombelona, ary amin'ny taranjan'ny biolojia, ny tambajotra nerônina dia midika tambajotra nerônina voajanahary na biôlojika. Ity lahatsoratra ity dia hamaritra ny tambajotra nerônina voatrolombelona.

Tambajotra nerônina ary haranita-tsaina voatrolombelona[hanova | hanova ny fango]

Ny tambajotra nerônina voatrolombelona (TNV) dia vondrona nerônina voatrolombelona mampiasa modely matematika amin'ny fikirakirana fampahalalàna. Rafitra mizatra ny TNV ary miova araky ny fampahalalana ivelany na anaty ny rafiny.

Filàna azy[hanova | hanova ny fango]

Ny aligôritma mampiasa tambajotra nerônina dia aligôritma afaka mivoatra araky ny fampahalalana atolotra azy. Ireo tambajotra ireo koa no mahita ny endrika (anglisy: pattern) ankapoben'ny fampahalalana atolotra azy.

Noho izay fahafahany izany ary ny fahafahany manasokajy ny fampahalalana, dia ampiasaina amin'ny famahàna olana ara-statistika, toa ny fisokajiana ny kaodim-paositr ho azy na ny fanapahan-kevitra momban'ny fivarotan'entana araky ny fivoaran'ny vidy. Amin'ny alalan'ny rindrankajy mampiasa tambajotra nerônina, afaka manao faminavinàna amin'ny mpanjifa ny mpiasa amin'ny banky, araka ny fidiram-bola ary ny isan'ny zanak'ilay mpanjifa. Raha betsaka ny fampahalalana ohatr'izany dia ho fantatra raha ho tsara sa ho ratsy ilay mpanjifa.

Raha mampiasa isa voajanahary ilay tambajotra nerônina, dia hanome valiny ao anatin'ny elanelana [-1 ; 1] izay tambajotra izay.

Endrika[hanova | hanova ny fango]

Môdely nerônina voatrolombelona iray

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.