Aller au contenu

Sofala (tanàna tranainy)

Avy amin'i Wikipedia
Sarin' i Sofala tamin'ny taona 1683, nataon' i Alain Manesson Mallet, mpahay jeôgrafia (1630? -1706?), tao amin' ny Famariparitany an' Izao Rehetra Izao.

I Sofala dia tanàna tranainy ao akaikin' i Nova Sofala ankehitriny, sady heverina ho seranan-tsambo lehibe tao amin' ny Fanjakana Mônômôtapa, eo amin' ny reniranon' i Sofala, ao amin' ny faritany mitovy anarana aminy, any Môzambika. Mpivarotra sy tantsambo sômaly no nanorina azy io. Toerana manan-danja amin' ny varotra volamena ity tanàna ity izay teo ambany fanapahan' ny Soltanatan' i Kilwa hatramin' ny taonjato faha-15 nahatongavan' ny Pôrtogey. Nihena ny asa ara-toekarena tao aminy avy eo, nihakely ny tanàna ary namela sisan-javatra vitsivitsy izay hita ao amin' ny tanàna vavao.