United Society Partners in the Gospel

Avy amin'i Wikipedia

Ny United Society Partners in the Gospel (USPG) dia fikambanana mpanao asa avy ao amin' ny Fanjakana Mitambatra (voasoratra anarana amin' ny laharana 234518). Ity fikambanana ity dia natsangana voalohany tamin' ny alalan' ny Dina-mpanjaka (anglisy: Royal Charter) tamin' ny taona 1701 sady nampitondraina ny anarana hoe Society for the Propagation of the Gospel in Foreign Parts (SPG) amin' ny maha fikambanana misiôneran' ny "fiangonana ambony" ao amin' ny Fiangonan' i Angletera ary niasa tao amin' ny zanatany telo ambin' ny folon' i Amerika Avaratra. Novana anarana hoe United Society for the Propagation of the Gospel (USPG) ilay vondrona tamin' ny taona 1965 taorian' ny nandraisany ny asan' ny Universities' Mission to Central Africa (UMCA).

Tamin' ny taona 1968 dia nanatevin-daharana ny fikambanana ihany koa ny Cambridge Mission to Delhi. Nanomboka ny volana Nôvambra 2012 ka hatramin' ny 2016 dia United Society (na Us) no lasa anarany. Tamin' ny taona 2016 no nambara fa hiverina amin' ny anarana hoe USPG ilay fikambanana, ka amin' ity indray mitoraka ity, izay fanafohezana ny hoe United Society Partners in the Gospel, nanomboka tamin' ny 25 Aogositra 2016.

Nandritra ny telonjato taona mahery niasany, ity fikambanana ity dia nanohana lehilahy sy vehivavy maherin' ny 15 000 amin' ny andraikitra famitana iraka (misiôna) ao anatin' ny Fiombonambe Anglikanina (Anglican Communion) maneran-tany. Miasa amin' ny alalan' ny fiangonana mpiara-miombon' antoka eo an-toerana ilay fikambanana, ka ny zavatra ifantohany amin' izao fotoana izao dia ny fanohanana ny tetikasa fanampiana vonjy maika sy ny fampandrosoana maharitra ary ny tetikasa fanofanana mpitarika kristiana. Ity fikambanana mikarakara fiantrana ity dia mamporisika ny paroasy any amin' ny Fanjakana Mitambatra sy Irlandy mba handray anjara amin' ny asa fitoriana kristiana amin' ny alalan' ny fanangonam-bola sy ny vavaka, ary amin' ny fametrahana rohim-pifandraisana miaraka amin' ny tetikasany maro manerana izao tontolo izao.