Sivilizasiôna Maia
Apparence
Ny Sivilizasiôna Maia dia sivilizasiôna mesôamerikana novolavolain' ny vahoaka Maia, ary nalaza noho ny teny famantaranany rafitra fanoratana be pitsiny sy be fivoarana indrindra tany Amerika talohan' ny vanim-potoana kôlombiana - ary koa ny kanto, ny maritrano, ny matematika, ny kalandrie ary ny rafitra astrônômika. Ny Sivilizasiôna Maia dia nivoatra tao amin' ny farirea misy ny ilany atsimo-atsinanan' i Meksika, i Goatemala sy i Belizy rehetra, ary ny faritra andrefana amin' i Hôndorasy sy i Salvadoro.