Aller au contenu

Maia (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Vehivavy maia

Ny Maia na Maiana dia vondron' olona ara-kolontsaina anisan' ny Amerindiana monina any amin' ny tapany avaratr' i Amerika Afovoany (Meksika atsimo, Goatemala, Belizy, misy vitsy anisa any Hôndorasy sy Salvadôro). Ny tombantombana momba ny mponina maia ao amin' io faritra io tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21 dia eo anelanelan' ny 6 sy 10 tapitrisa. Ny sasany dia tena tafiditra ao anatin' ny kolontsaina môderina any amin' ny firenena misy azy, ny hafa kosa dia manohy miaina amin' ny fomban-drazana sy manana kolontsaina miavaka matetika mampiasa ny iray amin' ny fiteny maia ho fiteny voalohany.

Ny teny mahafaobe hoe "Maia" na "Maiana" dia anarana iombonana mora ampidirana ny mponina ao amin' io faritra io izay manana lova ara-piteny sy ara-kolontsaina mitovitovy. Na izany aza, io teny io dia mahafaoka vahoaka sy ​​fiarahamonina ary vondrom-poko samihafa izay manana ny fomban-drazany sy ny kolontsainy ary ny maha izy azy ara-tantara manokana avy.

Ny teny hoe maya dia midika hoe "katsaka", izay zavamaniry manana ny toerana voalohany amin' ny fedrà talohan' ny fahetongavan' ny Eorôpeana sy amin' ny fiainana andavanandron' ny Maia ka nahatonga ny fiantsoan' izy ireo ny tenany ho "olon' ny katsaka" hatramin' ny fiandohan' ny Andro Taloha.