Sinapy mainty

Avy amin'i Wikipedia
Sinapy mainty

Ny sinapy mainty, izay atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Brassica nigra na Sinapis nigra, dia zavamaniry maniry isan-taona, ao amin' ny fianakavian' ny Brassicaceae, volena hahazoana ny voany izay ampiasaina mba hanamanitra sy hanatsata tsiro ny nahandro. Misy lailainy toa tsilo ny tahobeny ambany. Mety mafatrara 1 m na mihoatra izy rehefa lehibe. Amin' ny voana Avrily hatramin' ny Oktobra izy no mamony. Mirefy 1 hatramin' ny 3 mm eo ny savaivon' ny voany. Rehefa masaka ny voany dia miloko volontakatra manopy mainty sady manana tsiro mafana toy ny an' ny sakay.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]