Simplikiôsy (filôzôfa)

Avy amin'i Wikipedia

I Simplikiôsy dia filôzôfa mpianatr' i Amôniôsy zanak' i Hermiasy sy i Damaskiôsy, ary anisan' ireo farany tamin' ny filôzôfa neôplatônisiana. Teraka tamin' ny taona 480 taor. J.K. izy ary maty tamin' ny taona 560 taor. J.K. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Σιμπλίκιος ὁ Κίλιξ / Simplikios o Kiliks.

Anisan' ireo filôzôfa paganista nenjehin' i Jostiniano tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-6 izy, ary voatery nitady fialofana tany Persia nandritra ny fotoana kelikely, alohan' ny namelana azy hiverina any amin' ny Empira. Nanoratra betsaka momba ny asan' i Aristôty izy. Na dia fanaovana heviteny momba an' i Aristôty sy ny mpanoratra hafa avokoa aza ny asasorany, fa tsy famoronana vaovao, ny haranitan-tsainy sy ny fiandalinana mahatalanjona dia mahatonga azy ho filôzôfa paganista lehibe farany tamin' ny Andro Taloha. Nitahiry fampahalalana betsaka momba ny filôzôfa taloha izay mety ho very raha tsy izany ny asasorany.